Ny Famakiana
Ny famakiana teny frantsay
Ny famakiana dia mihoatra lavitra noho ny zavatra hafa atao tsotra : varavarana misokatra amin’ny tombontsoa maro tsy tambo isaina. Ho an’ny olona rehetra, ny famakiana amin’ny tenin-dreny na amin’ny teny vahiny dia manokatra làlana vaovao, fomba fijery samy hafa ary fahalalàna tena mampivoatra. Indrindra rehefa mianatra teny frantsay, ny famakiana boly dia fototra tena ilaina ahazoana voambolana, manatsara ny fahatakarana an-tsoratra ary manamafy ny fahaiza-miteny. Ankoatra ny tombony azony amin’ny fiteny, ny famakiana dia mampiroborobo ny fivelarana ara-kolontsaina amin’ny fahafahanao hahita ny fomban-drazana, ny soatoavina ary ny traikefan’ny olona erak’izao tontolo izao.
Amin’ny alalan’ny fanaovana ny famakian-teny ho mora hipaka amin’ny rehetra, mandray anjara izahay amin’ny fampiakarana ny kalitaon’ny fampianarana, mampiroborobo ny fifankahazoana ara-tsosialy ary mamolavola fiaraha-monina mamiratra kokoa sy mandefitra.
Ny tambajotra Alliances Française de Madagascar dia manana trano famakiam-boky miparitaka manerana ny firenena. Manankarena fitaovana izy ireo, manolotra hetsika maro isan-karazany ary manome fahafahana mifandray amin’ny nomerika. Ny tranokala CULTURETHEQUE dia misy antontan-taratasy nomerika an-jatony maro ary maimaim-poana tanteraka ho an’ny mpikambana ao amin’ny Alliance Française.