Fanadinana sy Mari-pankasitrahana


Ny « Coordination nationale du réseau des Alliances Françaises » eto Madagasikara dia solontenan’ny FEI (France Education Internationale, ex-CIEP) ary noho izany, miantoka ny fanarahana ara-pitantanana sy ara-panabeazana ireo mari-pankasitrahana frantsay, etsy ankilany, amin’ny anaran’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, etsy andaniny, ho an’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Paris Ile- Frantsa.
Tamin'ny taona 2023, nisy 14.850 ireo kandidà
ho an'ny fanamarinana DELF sy DALF.
Ny mari-pankasitrahana DELF (Diplôme d’Etudes en Langue Française) sy DALF (Diplôme Approfondi de Langue Française) dia tombotsoa tokoa ho an’izay maniry hanamarina sy hanatsara ny fahaizany amin’ny teny frantsay. Nahazo fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ireo mari-pankasitrahana ireo dia manamarina amin’ny fomba ofisialy ny fahaizanao miteny frantsay ary manokatra varavarana ho an’ny làlam-pampianarana maro , amin’ny sehatry ny asa arakasa ary ho anao manokana. Raha mahazo DELF na DALF ianao, dia manamarina ny fifehezanao ny teny frantsay izany, izay mety hampitombo ny vitanao hidirana amin’ny oniversite sy firenena miteny frantsay, hanatsara ny fomba fiasanao amin’ireo orinasa. Raha fintinina, ny mari-pankasitrahana DELF sy DALF dia antoka sarobidy amin’ny hoavinao, ahafahanao mamakivaky ny tontolon’ny fiteny ary hanatraranao ny tanjonao amin’ny fahatokisana sy fahombiazana.
Ny Test d’Évaluation de Français (TEF)) dia marika tena ilaina mba hanombanana sy hanamarinana ny fahaiza-manaon’ireo tsy mampiasa ny teny frantsay. Ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny TEF dia manombana mazava sy mahintsy ny fahaiza-miteny. Ny tombony amin’ny TEF dia izy azo antoka, ny faharetany ary ny fankatoavan’ny andrim-pampianarana maro azy, ny andrim-panjakana ary ireo matihanina manerana izao tontolo izao, ka mahatonga azy io ho fitaovana tena ilaina ho an’ireo izay te hanamarina ny fahaizany frantsay sy ireo manana tanjona manokana sy arak’asa.

Ny Diplômes de Français Professionnel (DFP)) dia mari-pankasitrahana ekena iraisam-pirenena izay manombana ny fahaizana miteny frantsay manodidina ny sehatry ny asa. Atolotry ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Paris (CCIP), ny DFP dia mifanaraka amin’ny sehatra matihanina isan-karazany toy ny varotra, fizahan-tany, fahasalamana, sy ny maro hafa. Ireo fanamarinana ireo dia manombana mazava sy manokana momba ny fahaiza-miteny frantsay anatin’ny tontolon’ny asa. Ny tombony azo amin’ny DFP dia ny maha-zava-dehibe azy ireo eo amin’ny tsenan’ny asa, ny fankatoavan’ny mpampiasa sy ny toeranm-piasana azy ireo. Ny DFP dia fitaovana tena ilaina mba hampisy lanja sy hanamarinana ny fahaiza-miteny frantsay ao anatin’ny sehatry ny asa, ka ahafahan’ireo kandidà mahazo tombony eo amin’ny asa sy manana fivoarana tena mavesa-danja .
