FANOFANANA SY TOLOTRA ARA-BAROTRA
Fanofanana matihanina ho an’ny mpampianatra
Ny programanay momba ny fampiofanana ireo mpampianatra, indrindra ny Certiticat du professorat de l’Alliance Française de Paris (CPAFP), dia mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manao didaktika sy pedagojika ho an’ireo matihanina amin’ny fampianarana. Miaraka amin’ny fomba fiasa azo ampiharina sy mivoatra, izahay dia manolotra fiofanana manara-penitra izay ahafahan’ny mpampianatra, indrindra ny Ecoles Normales Supérieurs, manatsara ny fomba fampianarana sy manamafy ny fahaizana fiteny vahiny maro sy ny teny frantsay eo amin’ny fampianarany. Amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo manampahaizana amin’ny sehatra io, ny tambajotra Alliances Françaises sy ny coordination dia manolotra lalam-pampianarana feno sy manokana izay manomana ny mpampianatra hiatrika ny fanamby amin’ny fampianarana teny frantsay ao anatin’ny tontolo mivoatra tsara hatrany. Antsoy izahay mba hampivelatra ny fahaizanao amin’ny didactika, pedagogie, andragogie, hamafiso ny fahaizanao mampianatra ny disciplines non-linguistics (DNL) ary mandraisa anjara amin’ny fampiroboroboana ny fahaizana fiteny maro amin’ny tontolom-pampianarana rehetra eto Madagasikara.
															Fanofanana manokana mifanaraka ho an'ny orinasa sy ny oniversite
Ny programa frantsay vaorafitra tsara namboarinay ho an’ny orinasa sy ny oniversite dia natao hanomezana fahafaham-po ny hetaheta manokana ho azy ireo tsirairay. Miaraka amin’ny fomba mora azo sy azo ampiharina, ny tambajotra Alliances Françaises de Madagascar dia manana tolotra tonga dia vonona izay mifanaraka tsara amin’ireo tanjona sy ny olan’ireo fikambanana. Na io hanamafy ny fahaizan’ireo mpiasa miteny frantsay, na hanamora ny fianaran’ny mpianatra na hanatsara ny fifandraisana anatiny, ny tolotra dia mitondra vahaolana mahomby sy mifanaraka amin’ny tsirairay. Antsoy izahay mba hampiova ny toeram-piasanao na ny toeram-pianaranao ho tontolo iray miteny frantsay mavitrika sy mamokatra.