Fianarana teny frantsay ho an'ny olon-dehibe

Mianara teny frantsay eto Madagasikara

Maniry ny hianatra teny frantsay ve ianao? Na vao manomboka ianao na te hanatsara ny fahaizanao miteny, ny tolotra ao anatin’ny tambajotra Alliances Françaises de Madagascar dia novolavolaina hifanaraka amin’izay ilainao. Na mpianatra ianao, na efa matihanina, na mankafy ny teny sy kolontsaina frantsay tsotra izao, ny programa omenay dia fomba fiasa mifandray sy mavitrika amin’ny fianarana. Tsy vitan’ny hoe handray soa avy amin’ny traikefa azo tamin’ny fianarana voavola tsara ianao, fa hanana ihany koa fahafahana miditra amin’ny loharanon-kolontsaina maro isan-karazany sy tambajotra mavitrika amin’ireo mpianatra miteny frantsay. Midira ao amin’ny tambajotra mba hahitanao ny tsiron’ny fianarana teny frantsay sy hanatratraranao ny tanjonao dia ny hiteny amim-pahatokiana.

Madagasikara no firenena voalohany eran-tany eo amin’ny isan’ny mpianatra : 37 291

Ny tambazotra Alliances françaises dia nahavita 1 221 890 ora tamin’ny fampianarana teny Frantsay

Isan'ny mpianatra tamin'ny taona 2023
0
Ora fampianarana teny frantsay nandritra ny taona 2023
0

Ny tombontsoa

Ny fifehezana ny teny frantsay dia manokatra varavarana ho amin'ny harena ara-kolontsaina tsy manam-paharoa ary manamora ny fifanakalozana ara-kolontsaina amin'ireo firenena maro mampiasa ny teny frantsay manerana an'izao tontolo izao.

Ny teny frantsay dia teny ampiasaina betsaka amin'ny sehatra akademika sy matihanina. Ny fifehezana azy dia mampitombo ny vintana amin'ny fiovan-toerana, ny fahazoana asa ary ny fandrosoana eo amin'ny asa.

Ny fampianaranay teny frantsay ho an’ny olon-dehibe dia manolotra fomba fianarana mavitrika sy ifanaovana, izay mifanaraka amin’ny haavo rehetra.

Miaraka amin'ireo mpampianatra za-draharaha, ianao dia hampivelatra ny fahaiza-manaonao amin'ny teny amin'ny alalan'ny hetsika isan-karazany, adihevitra manentana ary fampidirana ara-kolontsaina manankarena.

Ny tombontsoa

Ny fifehezana ny teny frantsay dia manokatra varavarana ho amin'ny harena ara-kolontsaina tsy manam-paharoa ary manamora ny fifanakalozana ara-kolontsaina amin'ireo firenena maro mampiasa ny teny frantsay manerana an'izao tontolo izao.

Ny teny frantsay dia teny ampiasaina betsaka amin'ny sehatra akademika sy matihanina. Ny fifehezana azy dia mampitombo ny vintana amin'ny fiovan-toerana, ny fahazoana asa ary ny fandrosoana eo amin'ny asa.

Ny fampianaranay teny frantsay ho an’ny olon-dehibe dia manolotra fomba fianarana mavitrika sy ifanaovana, izay mifanaraka amin’ny haavo rehetra.

Ireo mpampianatra za-draharaha, dia hampivelatra ny fahaiza-manaonao amin'ny teny ianao amin'ny alalan'ny hetsika isan-karazany, adihevitra manentana, ary fampidirana ara-kolontsaina manankarena.